👮♂️ Ady amin’ny halatra sy vaky trano
📅 Ny 09 Aprily 2026 hariva, nisy tranga vaky trano teny Amoronankona By-pass ka niantso ny Polisin’ny Kaomisaria Alasora ilay lasibatra.
📞 Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ka lehilahy iray no tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny.
🔎 Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria Alasora hatao fanadihadiana ity mpamaky trano ity.
🛡️ Tsara hatrany ny mitazona ny laharan’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny faritra misy antsika any ka miantso avy hatrany rehefa misy tranga mampiahiahy.