– Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
-Araka ny loharanom -baovao voaray izay manambara fa misy olona mamatsy zava-mahadomelina mahery vaika « roro » eny Makambahiny, tsy niandry ela fa nidina teny an-toerana ny Polisin’ny « Stup » Anosy ka vehivavy iray no voasambotra ny 13 Aprily 2026.
– Tratra am-bodiomby nitazona sy nivarotra rôrô izy tamin’izay ka fonosana kely miisa 16 no teny aminy.
– Natolotra ny Fampanoavana ny 15 Aprily 2026 ary naiditra am-ponja vonjy maika eny amin’ny fonjan’Antanimora.
– Raha ny tsapa dia anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ity rôrô ity satria mampaniraka mangalatra ireo izay midoroka izany. Manginy fotsiny ny fahasimban’n’ny vatana noho ny fiakinan-doha. Izany indrindra no hiantsoan’ny Polisimpirenena fiaraha-mientana ho an’ny fandriam-pahalemana, sahia mitoroka ireo mpivarotra rôrô any amin’ny fiarahamonina any fa tanana ho tsiambaratelo tanteraka ny momba ireo mpanome vaovao.

 

MANAKAMBAHINY : VEHIVAVY IRAY SARON’NY NY POLISIMPIRENENA NIVAROTRA RORO.

Vous pourrez aussi aimer