Notanterahina anio 15 novambra 2024 ny famoahana ireo mpianatra ho zandary 1196 Andiany faha-78 tao amin’ny Sekolin’ny Zandarmariam-pirenena Ambositra EGNA.
Izany lanonana izany moa dia notarihin’ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara Andriamitovy, Minisitra Delegea misahana ny Zandarmaria, ary natrehin’ny Jeneraly Komandin’ny Zandarmariam-pirenena.
Ho porofon’ny firaisan-kinan’ny Hery fiarovana sy filaminana dia tonga nanotrona izany lanonana izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny mpiara-miasa aminy ary ny Jeneraly Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika.
Tsy latsa-danja tamin’izany koa ny fahatongavan’ireo tompon’andraikitra ambony olom-boatendry sy olom-boafidy avy ao amin’ny Faritra Amoron’Imania.