đAdy amin’ny fiparitahanâny zava-mahadomelina dia manohy ny hetsika hamongorana an’ireo mpamatsy, mpivarotra sy ny mpanjifa ny Polisimpirenena.
đźNahitam-bokany izany, ka lehilahy miisa 03 no voasambotra; ny lehilahy roa tratra tetsy Antsahameva izay mbola nahitana rongony Skunk 30 fonosana. Ny lehilahy iray hafa kosa tratra tetsy Ankadimbahoaka, nahatrarana 05 grama metanfetamina (cristal mĂ©thamphĂ©tamine).
â
Natolotra ny Fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora
DPE – STUP
