BC4 – FARITRA NAMONTANA : VOASAKAN’NY POLISY NY FANAFIHANA SAIKA NATAON’ IREO ANDIAN-JIOLAHY NITONDRA BASY MAHERY VAIKA

06 lahy niaraka tamin’ny basy miisa 03 izay kalach ny 01 no saika hanao fanafihana teny Namontana . Efa nihaodihaody teny amin’io faritra io ireto olon-dratsy ka vao naheno ny angom-baovao ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahefatra dia nidina ifotony hisambotra ireto olon- dratsy. Jiolahy miisa 04 niaraka tamin’ny basy miisa 02 nisy bala no tra-tehaky ny Polisy nanao fanamiana sivily,nisy tamin’ireto olon-dratsy kosa no tafatsoaka nandritra ny fifanenjehana. Tsy nijanona teo ny fanenjehana ireto jiolahy mitam-piadiana ireto fa nitohy hatrany ka ny ampitson’io dia tra-tehaka teny Ambohibao ny jiolahy 01 tafatsoaka tetsy Namontana. Tsy niandry ela ihany koa fa dia tratra tetsy Mahamasina ny jiolahy 01 hafa, rehefa nosavaina ny tranon’ity farany dia nahitana basy « fusil d’assaut Ak 47  » sy boite chargeur miisa 06 tao aminy.

Andian-jiolahy mpandravarava teto Antananarivo indray izany no ravan’ny BC.

 

BC4 – FARITRA NAMONTANA : VOASAKAN’NY POLISY NY FANAFIHANA SAIKA NATAON’ IREO ANDIAN-JIOLAHY NITONDRA BASY MAHERY VAIKA

Vous pourrez aussi aimer