« AOKA IZAY NY HERISETRA ATAO AMIN’NY ANKIZY’’

Tsapa fa mitombo isa ny asa ratsy fanolanana tato ato, ny tena loza dia saika ireo tsy ampy taona, lehilahy na vehivavy no iharan’izany,.

Ilaina ny fahamailoana fa havana akaiky (Ray niteraka, raikely, iray tampo, anadahin-dreny, rahalahin-dray, cousin) no mahavanin-doza. Eo koa ny mpifanolo-bodirindrina na mpiray Tanàna.

Ho Antsika Ray aman-dReny niteraka, Ray aman-dreny mpiahy, mpanabe.

– Araho maso akaiky ny ankizy :

  • iza avy ny namany ?
  • aiza ny toerana falehany na filalaovany ?
  • inona avy ny fataony ?
  • ny fiankanjony, ny fiteniny, firesany.

Fa ny tena zava-dehibe nefa mazàna hadinointsika dia ny fahasalamany, ny fivoaran’ny toe-batany, ny fahatongavan’ny fotoana ho an’ny zazavavy.

Iresaho ny ankizy, mizara mifanakalo hevitra aminy, aza atao FADY na SAKANA ny firesahana fananahana amin’ny zanaka ; atoroy azy ny tokony sy ny tsy tokony hataony, ataovy namana izy mba hialan’ny tahotra sy ny fihafahafana izay sakana tsy hafahany milaza izay manjo azy aminao.

TANDREMO ! Aza atakalo FIHAVANANA ny ho avin’ny Zanaka, ny fiainan’ny ankizy. Rehefa misy trangana fanolanana dia ataovy ny fitoriana na iza na iza nanao izany, eny fa na havana akaiky aza.

TSY AZO ATAO RAHARAHAM-PIHAVANANA NY RESAKA FANOLANANA, midika ho firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy izany, fanomezana vahana ny mpanao ratsy.

Hentanina ny rehetra fa na iza na iza mahita trangana herisetra na fanolanana atao amin’ny tsy ampy taona dia afaka mampandre haingana ny Polisy. Manome toky ny Polisim-pirenena fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao:

  • Sahia miteny
  • Sahia mampahafantatra
  • Sahia mitoroka
  • Sahia mitory

Ny laharana 034 05 703 73 no azo iantsoana ny sampan-draharaha misahana ny fiarovana ny tsy ampy taona. Ny laharana maitso 813 no ahazoana ny Brigade Feminine de Proximité (BFP).

Ny toerana misy ny Biraon’ny Polisy misahana ny fiarovana ny tsy ampy taona dia TSARALALANA (HOTEL DE POLICE), ANOSY (DIRECTION GENERALE DE POLICE NATIONALE)

Eo anatrehan’ny herisetra, fanolanana mihatra amin’ny tsy ampy taona dia manokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy na tsy misy fitoriana aza.

Tsara ny manamarika fa natolotry ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona teny amin’ny fampanoavana ilay zazalahy 16 taona nanolana sy nahafaty ilay zazavavy kely 07 taona ary nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

Sary indrana

« AOKA IZAY NY HERISETRA ATAO AMIN’NY ANKIZY’’

Vous pourrez aussi aimer