POLISIM-PIRENENA MIATRIKA NY FETY : EFA MISY NY PAIKADY NAPETRAKA HIAROVANA IREO VAHOAKA HANAO FETY AM-PILAMINANA

Iaraha-mahita fa rehefa ankatoky ny fety tahaka izao dia mirongatra ny fanaovana asa ratsy. Efa miomana amin’izany ny Polisim-pirenena amin’ny Paik’ady rehetra hiarovana ireo vahoaka ka ankoatra ireo Polisy manao fanamiana dia nampitomboina ireo Polisy manao fanamiana sivily hiadiana amin’ny haro-paosy sy asa fanendahana eny amin’ireny toerana mahavory olona ireny ary hatreto dia efa misy ireo olon-dratsy tra-tehaka.

Raha eo amin’ny lafiny fifamoivoizana indray dia iaraha-mahalala ny fitohanana lavareny eto an-drenivohitra indrindra rehefa akaiky fety tahaka izao. Noho izany dia anao ny ezaka rehetra ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena amin’ny fanalefahana izany.

Amin’ny maha fety Kristiana ny andro noely dia hisy ny fiarovana manokana ireo mpino Kristiana hamonjy fiangonana ka hisy Polisy avokoa ireo fiangonana rehetra eto an-drenivohitra

Araka izany dia efa « consigné  » avokoa ireo Polisy eto an-drenivohitra ary miisa 1488 izy ireo no hisahana ny fiarovana sy ny fanampiana ny vahoaka.

Manentana ny vahoaka hatrany ny Polisim-pirenana mba ho mailo, ary hanome vaovao ao anatin’ny fotoana haingana hahafahan’ny Polisy mandray andraikitra avy hatrany.

Ny Polisim-pirenena dia mirary ny Malagasy rehetra hanao krismasy sambatra sy taom-baovao ao anatin’ny firavoravoana eo anivon’ny fianakaviany.

 

POLISIM-PIRENENA MIATRIKA NY FETY : EFA MISY NY PAIKADY NAPETRAKA HIAROVANA IREO VAHOAKA HANAO FETY AM-PILAMINANA

Vous pourrez aussi aimer