NANAO FITSIDIHANA SY NANOME TOROMARIKA HANATSARANA NY FOMBA FIASA TENY AMIN’NY PAF IVATO NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

✅️ Mitohy hatrany ny fitsidihana ireo sampan-draharaha eto anivon’ny Polisimpirenena izay ataon’i Ministry ny Filaminam-bahoaka ,ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.

✅️ Izany dia tafiditra indrindra amin’ny fanatsarana ny tolotra sy ny asan’izy ireo amin’ny ankapobeny. Notsindrian’Atoa Minisitra manokana ny fanaovana ho laharampahamehana ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny fanajana ny fenitra mifehy ny asa maha Polisy fa indrindra ny fahaizana mandray olona .
Hatramin’ny nandraisany ny fitantanana ny Minisitera dia nataon’Andriamatoa Minisitra vaindohan-draharaha ny midina mijery ireo sampan-draharahan’ny Polisimpirenena izay mifandray mivantana amin’ny vahoaka.

 

NANAO FITSIDIHANA SY NANOME TOROMARIKA HANATSARANA NY FOMBA FIASA TENY AMIN’NY PAF IVATO NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer