FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO: NANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY POLISIMPIRENENA.

✅️ Tontosa ny Zoma 26 Janoary 2024 ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo izay notanterahina teny amin’ny tanàna vaovao Tanamasoandro teny Imerintsiatosika.
✅️ Nanokatra izany teny an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian.
Nandray anjara mavitrika ny Polisimpirenena, izay notarihan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka , ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
✅️ Ho fanatanterahana ny voalazan’Andriamatoa Filoham-pirenena tamin’ny kabariny dia nanome toromarika izy amin’ny hanaovan’ny ratsamangaika rehetra eto anivon’ny Polisimpirenena fambolen-kazo toa izay, araka ny efa fanao.
 » Fambolen-kazo : manarina tontolo iainana, mamelon’aina »

FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO: NANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer