MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: TONTOSA NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA

✅️ Notanterahina ny alatsinainy 15 janoary tetsy Anosy 🤝 ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka teo aloha, ny Inspecteur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa sy ny Minisitra vaovao, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
📝🖋 Tao aorian’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta dia nisy ny lahateny nifandimbiasan’izy mirahalahy.
📣 Nisaotra ny fianakaviamben’ny polisimpirenena ny Ministra teo aloha tamin’ny asa sy ny fandavatenan’ny tsirairay ka nahafahany nampiakatra ny lentan’ny Polisimpirenena nandritra izay efatra taona nitantanany izay.
✅️ Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Minisitra vaovao, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala dia naneho ny fisaorana ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta tamin’ny fanendrena azy.
📣 Nisaotra ny Minisitra teo aloha ihany koa izy tamin’ny zavabitany.
✅️ Hitohy hatrany hoy izy ny asa , araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena indrindra ny mahakasika ny lafiny maha olona, ny fanavaozana ny fitantanana eo amin’ ny rahaharaham-panjakana ary ny ady amin’ny kolikoly.
✅️ Avy hatrany moa dia nandray ny asa maha Minisitry ny Filaminam-bahoaka azy ny CGP Rakotoarimanana Herilala.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: TONTOSA NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA

Vous pourrez aussi aimer