FANENDRENA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA VAOVAO

👮Ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala no voatendry ho Minisitry ny Filaminam-bahoaka vaovao, araka ny fanendrena nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny Alahady 14 Janoary 2024.
✅️ Efa nisahana andraikitra ambony teto anivon’ny Polisimpirenena izy , izay nivoaka ho Commissaire de Police rehefa nanaraka fiofanana teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy- ENSP Ivato, tamin’ny Andiany Antoka, ny taona 2000.
🎓📃 Manana ny maripahaizana Maîtrise en Droit Privé teny amin’ny Oniversite an’Antananarivo sy ny Diplôme d’Etude Approfondie en Droit Public et Science Politique.
✅️ Manana traik’efa manokana amin’ny sehatry ny sécurité publique sy ny fanangonam-baovao na renseignements généraux.
🗓 Ny taona 2015 ka hatramin’ny 2016 izy no nisahana ny andraikitra maha-Directeur de la Repression des Infractions Economiques
et Financières et de la Sécurisation des Investissements.
🗓 Ny taona 2017 ka hatramin’ny 2020 izy no Directeur de la Sécurité Publique
🗓️Ny taona 2020 ka hatramin’ny 2022 izy no Directeur de la Lutte Contre la Corruption et de la Discipline.
✅️ Ary izy no Directeur de la Recherche et de la Formation Continue talohan’izao nahavoatendry azy ho Minisitry ny Filaminam-bahoaka izao.
✅️ Ny Alatsinainy 15 Janoary 2024 no ho tanterahana ny fifamindram-pahefana amin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka teo aloha.

FANENDRENA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA VAOVAO

Vous pourrez aussi aimer