BC4 – FANAFIHAN-JIOLAHY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO JIOLAHY NANAFIKA SY NAMONO ILAY TOMPON-TRANO TETSY TANJOMBATO

Notsatohan’ireto jiolahy Antsy ny fon’ilay Lehilahy tompon-trano ka maty teo noho eo ity farany, vita izay dia nalain’ireto jiolahy ny vola tao an-trano. Nisy nahatsikaritra io fanafihana io ka avy dia niantso Polisy ny olona.

Vetivety dia Tonga ny Polisy saingy efa nirifatra nandositra tamin’ny fiara ireto olon-dratsy. Ny alin’io ihany dia tra-tehaka tetsy Ankorondrano ilay fiara ary voasambotra teo noho eo ny jiolahy miisa 03 isan’ny nanao ny fanafihana.

Tsy nijanona teo ny fanadihadiana fa tsy namelan’ny Polisy raha tsy tratra teny Andranomahery sy Ankadimbahoaka ihany koa ireo jiolahy miisa 03 ambiny nanao ny fanafihana.

Tao anatin’ny famotorana no nahalalana fa mpiambina ilay lehilahy sy mpamilin’ny fiarany ihany no niketrika ilay fanafihana ka izao tratra izao avokoa ireto olon-dratsy.Nidoboka any Tsiafahy avokoa izy ireo

 

BC4 – FANAFIHAN-JIOLAHY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO JIOLAHY NANAFIKA SY NAMONO ILAY TOMPON-TRANO TETSY TANJOMBATO

Vous pourrez aussi aimer