BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE : MPIANATRA MIISA 20 NATERIN’NY POLISY TANY AM-PIANARANA REHEFA TRATRA NANAO JEUX SY NAMPIARAKA AMIN’NY ORA FIANARANA

Tafiditra ao anatin’ny asan’ny Polisim-pirenena ny fiarovana ireo ankizy tsy ampy taona. Misy ireo toerana tsy azon’ny ankizy idirana mihitsy toy ny toerana fisotroana toaka (bar), ny toeram-pilokana, toeram-pilanonana toy ny boite de nuit.

Tsikaritra fa misy ireo salle des jeux no mampiditra ankizy amin’ny fotoana fianarana toy izay hita teny FARAVOHITRA, nahitana ireo ankizy mpianatra eny amin’ny sekoly manodidina amin’ny fotoana fianarana. Misy ireo mpianatra mirava aloha, ao ireo amin’ny ora fihatoana ( heure creuse ) misy mihitsy ireo mingitrika ka hita any amin’ny salle des jeux na ihany koa tratra mandeha mampiaraka.

Mpianatra miisa 20 avy amin’ny sekoly samihafa no tratran’ny Polisy nanao izany.

Taorian’ny fampahafantarana sy fanentanana natao tamin’izy ireo dia nisy naterin’ny Polisy tany amin’ny sekoly niaviany avy izay mbola ao anatin’ny ora fianarana, ireo hita fa efa mirava kosa dia nalefa nody. Ny tompon’ilay salle des jeux indray dia nantsoina eny amin’ny Brigade Feminine de Proximité hampahafantarina azy ny fahadisoany ary nomena fampitandremana mba tsy hamerina izany intsony.

Ny Polisim-pirenena dia manao antso amin’ny Ray aman-dreny mba hijery ny fandaharam-potoanan’ny zanany any an-tsekoly. Ho an’ny sekoly kosa dia tsy tokony havela hivoaka ny faritry ny sekoly ny mpianatra amin’ny fakan-drivotra sy amin’ny heure creuse. Tokony ho hentitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ray aman-dreny sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ka tokony hosoratana amin’ny carnet de correspondance raha misy ny firavana na fodiana alohan’ny fotoana voatondro.

 

BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE : MPIANATRA MIISA 20 NATERIN’NY POLISY TANY AM-PIANARANA REHEFA TRATRA NANAO JEUX SY NAMPIARAKA AMIN’NY ORA FIANARANA

Vous pourrez aussi aimer