FANAMBARANA

✅Mikasika ilay raharaha vono olona ka nahafatesana mpiraki-draharaha sy inspecteur des impôts ny 15 novambra 2022 teny Imerinkiasinina, ny Polisim-pirenena Malagasy dia manao izao fanambarana izao :
1- Ny Polisim-pirenena Malagasy dia miondrika am-panajana manoloana ireo namana mpiara-miasa maty noho ny etraketrak’ireo tsy mataho-tody, ary maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’izy ireo ;
2- Ny Polisim-pirenena Malagasy dia manamarina fa misy tokoa Polisy voarohirohy amin’io raharaha io, ary efa notanana eny amin’ny sampandraharahan’ny Zandarimariam-pirenena izay miandraikitra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ;
3- Misy ihany koa teratany vahiny, sinoa, izay voarohirohy amin’ity raharaha ity, ka efa voasambotry ny Polisy eo anivon’ny PAF teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary efa natolotra ny sampandraharahan’ny Zandarimariam-pirenena izay miandraikitra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ;
4- Ny Polisim-pirenena Malagasy dia tsy miaro ireo mpanao ratsy, na iza izy na iza, ary manampy ireo rahalahinay ao amin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fikarohana ny marina amin’ity raharaha vono olona ity ;
5- Ny Polisim-pirenena Malagasy dia manamafy fa tsy fieren’ny jiolahy ato amin’ny Polisim-pirenena ary tsy andefitra mihitsy amin’ireo Polisy mihoa-pefy.
✅?‍♂️Marihina fa ny Zandarimariam-pirenena no manao ny fanadihadiana mikasika ny raharaham-pitsarana mifandraika amin’ity vono-olona ity ary manome tanana amin’ny lafiny rehetra mety ilana izany ny Polisim-pirenena.
Efa mandeha ny « procédure administrative » mikasika ireo Polisy ireo, ary koa ny fanadihadiana anatiny mifandraika amin’ity raharaha ity.
Eto am-pamaranana, ny Polisim-pirenena dia manentana ny vahoaka Malagasy ho tony, ary hahatoky hatrany ny rafim-pitsarana misy eto amintsika.
✅Ny seraseran’ny Polisim-pirenena Malagasy

 

FANAMBARANA

Vous pourrez aussi aimer