TOVOLAHY MAHERY FIHETSIKA MIISA 04 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA, EFA MALAZA RATSY AMIN’NY FANAKORONTANANA SY FANAOVANA HERISETRA AO MAHAJANGA IZY IRETO

Ady amin’ny herisetra, fampanarahan-dalàna ✅Voasambotry ny Polisin’ny FIP tao Antanimalandy VII ireto tovolahy efatra ireto ny tolakandron’ny 10 Aogositra 2025. Voalaza fa nanao herisetra sy fanakorontanana tao an-tranon’olona iray nanao fety tany an-toerana izy efa-dahy niaraka tamin’ny namany roa hafa.

FIFANINANANA CJSOI 2025 ATSY AMIN’NY NOSY SEYCHELLES : MPITSARA MALAGASY TOKANA AMIN’NY TARANJA VOLLEY BALL NY INSPECTEUR DE POLICE RAJAONARISON HERINIRINA SAMOELINA

Nanomboka ny voalohan’ny volana aogositra 2025 teo ny fifaninana CJSOI andiany faha 13 na ny Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien atao atsy amin’ny Nosy Seychelles. Taranjam-panatanjahantena maro no hifaninananana mandritra izany. – Isan’ireo delegasiona malagasy