FAMETRAHANA NY « BRIGADE FÉMININE DE PROXIMITÉ » (BFP) AO MORONDAVA, FARITRA MENABE : NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY ARY NISITRAKA FAMPIOFANANA AVY HATRANY IREO POLISY VAVY MANDRAFITRA IZANY.

✅ Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka 👮‍♂️ Mifototra amin’ny fanampiana mivantana ny vahoaka, fanohanana ireo olona tojo fahasahiranana amin’ny lafiny rehetra ; ary koa amin’ny fiarovana ireo olona marefo sy indrindra ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, ireo

JIOLAHY RAINDAHINY IRAY LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA TAO BESAKOA TOLIARA

👉Ady amin’ny asan-jiolahy ➡️Ny 13 Mey 2025 tolakandro, jiolahy raindahiny efa mpamerin-keloka no lavon’ny balan’ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Toliara, tao Besakoa, Kaominina Ambonivohitra Toliara. ➡️Nikasa hanao fanafihana ity jiolahy ity araka ny vaovao voarain’ny Polisy

FAMETRAHANA FANDRIAM-PAHALEMANA MAHARITRA : MIROTSAKA AN-TSEHATRA MANARA-MASO NY FOMBA FIASAN’NY POLISIMPIRENENA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONY MBA HAHAFAHANA MITONDRA FANATSARANA HATRANY SY MANAMAFY NY EZAKA VITA

👉Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ➡️Notarihin’ny Tale jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius ny fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny fomba fiasan’ny Polisimpirenena eny an-kianja ny harivan’ny 12 May 2025. Niara-dalana taminy tamin’izany ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny

MANAKARA : NISITRAKA FAMPIOFANANA IREO MPAMILY CYCLO POUSSE MIISA 1000 MAHERY

👉Fampanarahan-dalàna, fanabeazana ✅Tontosa tao amin’ny kianja monisipaly ao Manakara ny 11 mey 2025 ny fiofanana natokana ho an’ireo mpamily cyclo-pousse nokarakarain’ny Kaominina Manakara niaraka tamin’ny Polisimpirenena. Natao izao fiofanana izao mba ho fampianarana ireo lalàna mifehy ny fifamoivozana sy fampahafantarana

TOAMASINA : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITAZONANA SY FIVAROTANA ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA COCAĂŹNE

👉Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina ✅Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP2 Mangarano, Toamasina, ny harivan’ny 10 May 2025 noho ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika cocaïne. Angom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa anisan’ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina mahery

LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISY NOHO NY FITAZONANA SY FIVAROTANA ZAVAMAHADOMELINA

👉Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zavamahadomelina ➡️Mitohy hatrany ny famongorana ny fiparitahan’ny zavamahadomelina ataon’ny Polisimpirenena. Lehilahy roa indray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina (STUP) Anosy. ➡️Ny marainan’ny 07 Mey 2025 dia

TERATANY VAHINY IRAY NO VOASAMBOTRY NY POLISY MIADY AMIN’NY HELOKA ANABAKA (CYBERCRIMINALITE) TAO MAHAJANGA NOHON’NY FANAPARITAHANA HORONAN-TSARY MAMOAFADY ATAO AMIN’NY ZAZA

👉Fiarovana ny zaza amin’ny fanararaotana ara-nofo anabaka ➡️Fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin’ny sampandraharahan’ny Polisimpirenena malagasy miady amin’ny heloka anabaka (CybercriminalitĂ©) sy ny fikambanana Child Rescue Coalition any Etazonia no nahafantarana fa misy teratany vahiny 69 taona manao fitadiavam-bola ny fanaparitahana

FIOFANANA “PROTECTION DES HAUTES PERSONNALITES” : NATOMBOKA TENY IVATO

👉Fitantanana ny maha olona, fiofanana mitohy ✅Nosokafana ny 5 May 2025 teny amin’ny Tobin’ny Commandement des Formations Spécialisées (CFS) Ivato ny fiofanana mahakasika ny fiarovana olo-manan-kaja, na ny “Protection des Hautes Personnalités” (PHP) niarahan’ny Polisimpirenena sy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

POLISIMPIRENENA : NANAO JERY TODIKA SY TOMBANA TAMIN’NY FOMBA FIASA NATAO NANDRITRA NY FITSIDIHAM-PANJAKANA SY NY FIVORIANA AN-TAMPON’NY COI, MBA AHAFAHANA MITONDRA FANATSARANA AMIN’NY ASA LEHIBE IZAY MBOLA HO AVY

✅Notarihan’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny 5 mey 2025, tetsy amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ny fivoriana lehibe izay nanaovana jery todika sy nitondràna tombana tamin’ireo asa vitan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena nandritra ny