LEHILAHY ENINA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA AVY AO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE AVARADRANO SABOTSY NAMEHANA NOHO NY FANGALARANA KODIARANA FIARA SY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA.

✅ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina – Ny 22 Novambra 2025 – Lehilahy iray no tratran’ny Polisimpirenena teo am-pangalarana kodiarana sy kojakojana fiara hafa tao Ambohitrarahaba. Rehefa nahatsikaritra olona mampiahiahy nivezivezy tao amin’ny garazy ny tompon-trano dia niantso

MPAMAKY TRANO HITAN’NY « CAMERA DE SURVEILLANCE » ARY NANAOVANA FANAMBARANA TAO AMIN’NY FACEBOOK VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TENY ANTOHOMADINIKA

✅ Ady amin’ny asa-jiolahy – Raha tsiahivina dia nisy namoaka fampilazana tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook, nangataka fanampiana hitadiavana lehilahy iray avy namaky trano ka nandositra ary nahaverezana entana sarobidy maro. Hita tao amin’ity fampilazana ity ny sarin’ilay jiolahy avy amin’ny

FAMANGIANA MANJO NOTANTERAHAN’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA HO AN’NY FIANAKAVIAN’NY OFFICIER PRINCIPAL DE POLICE RAZAFINDRAZAKA JOËL BERTHIN

– Ho fijerena ny mahaolona, firaisam-po amin’ny mpiara-miasa sy fankaherezana azy ireo ary ho tongotra miara-mamindra ary soroka miara-milanja amin’ny namoizanan’ny fianakaviana ny Officier Principal de Police RAZAFINDRAZAKA Joël Berthin, izay nodimandry ny Sabotsy 22 Novambra 2025, dia tonga nitondra

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : TONTOSA TETSY AMIN’NY SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO NY LANONANA NANAMARIKA NY FANDRAISANA NY FIBAIKONA HO AN’NY TALE JENERALIN’NY POLISIMPIRENENA VAO NANDRAY NY ASANY.

– Notanterahina ny Zoma 21 Novambra 2025 tao amin’ny SEKOLIM-PIRENENA ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato ny lanonana manamarika ny fandraisana fibaikoana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena vaovao, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, izay vao nandray ny

VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ILAY LEHILAHY TOMPON’ANTOKA TAMINA FAHATRATRARANA RONGONY MILANJA 60 KG TAO ANATY VALIZY NY 12 NOVAMBRA 2025 TAO BETROKA

Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina – Taorian’ny fikarohana sy fanadihadiana natao momba ilay rongony milanja 60 kilao izay tratra tao anaty valizy, ny 12 Novambra 2025, teny amin’ny Lycée Tsiebo Calvin Betroka, dia tratra ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ity fitondràna rongony