65 TAONAN’NY FIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA SY NIJOROAN’NY FOLOALINDAHY:FAMPAHAFANTARANA NY HETSIKA,TARAKEVITRA SY SARY FAMANTARANA NY FANKALAZANA

« FITIAVAN-TANINDRAZANA MITARIKA FANDROSOANA », io ny tarakevitra voafidy entina hankalazana ny 65 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara🇲🇬 sy ny Foloalindahy malagasy⚔️, izay nampahafantarina tamin’ny fomba Ă´fisialy ny alatsinainy 19 may 2025 tao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina🏟️ niaraka tamin’ny sary famantarana.