FAMETRAHANA OFISIALY NY BFP AMBATONDRAZAKA, FARITRA ALAOTRA MANGORO

Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka ✅Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ao Ambatondrazaka, Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) ny Alaroba faha 4 Jona 2025. BFP faha-12 efa tafapetraka amin’ny fomba ofisialy eto Madagasikara ity ao Ambatondrazaka ity.

FANKALAZANA NY FAHA-65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA: DIABEN’ NY FIRAISANKINA SY LALAO ARA-PANATANJAHANTENA NO NOTANTERAHIN’IREO MPIKAMBANA EO ANIVON’NY GOVERNEMANTA SY IREO RATSAMANGAIKA SAMIHAFA EO ANIVON’NY ANDRIM-PANJAKANA

✅Mariky ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana, ary ho porofo fa izany no antoky ny fampandrosoana ny firenena, dia notanterahina ity hetsika ity ho isan’ireo fanamarihana ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’ny Repoblika Malagasy. Notontosaina androany 04 Jona 2025 niainga