NITOHY TETSY AMIN’NY EKAR KATEDRALY ANDOHALO NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA HO FANKALAZANA NY FAHA 65-TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA NIARAHAN’NY HERY FIAROAVANA SY FILAMINANA ARY NANASANA NY MPIRAY TANINDRAZANA IHANY KOA TAMIN’NY FIOMBONAM-BAVAKA

Fotoam-pivavahana teny amin’ny EKAR KATEDRALY Andohalo no nanohizan’ny Hery Fiaraovana sy Filaminana ny fankalazana ny faha 65 taonany niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena Malagasy ny alahady faha 22 jona 2025 tolakandro. ➡️Nitarika ny fotoana tamin’ izany ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana FFKM.

FAMPISEHOANA MIAVAKA NATAON’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA TETSY AMIN’NY KIANJA MAKIS ANDOHATAPENAKA : HITA TARATRA NY FIRAISAN-KINA EO AMIN’IREO MPITANDRO NY FILAMINANA MALAGASY

Hetsika tafiditra anatin’ny fankalazàna ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena ny hetsika nampisehoana ny fahaiza-manao ara-tafika sy ara-tekinika nataon’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana malagasy izay ahitàna ny Tafika, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny tolakandro