FIANARANTSOA – RAVAN’NY POLISIMPIRENENA IREO FIKAMBAN-JIOLAHY MALAZA RATSY AMIN’NY RESAKA VAKY TRANO, JIOLAHY MIISA 03 ISAN’IREO TOMPON’ANTOKA TAMIN’IZANY VOASAMBOTRA

🚔 Ady amin’ny asan-jiolahy 📢 Nahazo fitarainana maro ny Polisimpirenena manoloana ireo tranga vaky trano nisesisesy tao Fianarantsoa. Noho izany dia niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny Polisy, ka nahafahana nisambotra ireo jiolahy telo isan’ireo tompon’antoka tamin’io asa ratsy io. 👮‍♂️