NAHAZO FAMPIOFANANA AVY AMIN’NY POLISIMPIRENENA IREO VAOMIERAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA (VFP) AO ANATIN’NY FARIM-PIADIDIAN’NY KAOMISARIA BORIBORITANY FAHA-08 ANALAMAHITSY

– Polisimpirenena manakaiky Vahoaka – Nisitraka fampiofanana momba ny paikady entina hametrahana fandriam-pahalemana maharitra eny ifotony, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana sy fihavaozana izao, ireo vaomieran’ny Fandriam-pahalemana miisa 170 avy amin’ireo fokontany 17 ao anatin’ny farim-piadidian’ny Kaomisaria Boriboritany faha-08 Analamahitsy. –

FANDRINDRANA SY FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA ETO ANTANANARIVO : NISY NY FIFAMPIRESAHANA NATAON’NY POLISIMPIRENENA NIARAKA TAMIN’NY SOLON-TENAN’NY MPITATITRA TAXI-BE SY TAXI-VILLE.

✅ Notanterahina ny 27 Novambra 2025 maraina, tao amin’ny Lapan’i Tanàna tetsy Analakely, ny dinika lehibe momba ny fandrindràna sy fandaminana ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra. Notarihin’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka eto Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANALISON Haminiaina Solofotiana sy