👉Ady amin’ny asan-jiolahy sy fanendahana miharo herisetra
➡️Jiolahy iray efa fanta-daza sy mpamerin-keloka no maty voatifitry ny Polisy miasa ao amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention sy ny UIR teny Anosibe nandritra ny hetsika manokana, manao fanamiana sivily, nataon’ity sampandraharaha ity teny an-toerana. Fampitam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa jiolahy mpanendaka sy mpanao sinto-mahery amin’ny faritra Namontana sy Anosibe ity jiolahy ity ka naraha-maso nanomboka ny antoandro mba hahafahana misambotra azy ho tratra ambodiomby. Raha iny nikasa hanendaka mpandeha an-tongotra mody hariva iny izy sy ny namany iray, teny Anosibe, no nosakanan’ireo Polisin’ny UIR manao fanamiana sivily.
➡️Tafaporitsaka ilay jiolahy iray saingy tsy afa-niala tamin’ny fisamborana kosa ity olon-dratsy iray ity ka nanohitra ireo Polisy hisambotra azy tamin’ny sabatra. Lavo vokatry ny tifitra nahazo azy izy ary mbola karohina ny namany iray.