👉Ady amin’ny asan-jiolahy
➡️Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny Polisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Ihosy fa misy andian’olona mitady mpividy voamaso mivezivezy eo an-tampontanàn’Ihosy.
➡️Ny 10 Jona 2025 maraina, rehefa tafapetraka ny paikady hahafahana misambotra ireo andian’olona ireo dia tratra avokoa izy fito lahy tompon’antoka tamin’izany ka 24 taona ny zandriny indrindra ary 35 taona no zokiny indrindra.
➡️Nahatratrarana voamaso miisa 02 teny amin’izy ireo nandritra ny fisamborana. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ka ny Sampandraharam-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna ao Ihorombe (SRPJ) no mandray an-tanana izany.

LEHILAHY MIISA 07 MPISOLOKY SY MPANAO TRAFIKANA VOAMASO NO VOASAMBOTRY NY POLISY MIASA AO AMIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA IHOROMBE

Vous pourrez aussi aimer