Ady amin’ny fanapariahana vola sandoka
➡️Ramatoa iray 71 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany faha-6 etsy Ambohimanarina, ny alakamisy 12 jona 2025 hariva, teny Ambodimita, noho ny fanapariahana vola sandoka.
➡️Niandry harivariva efa manomboka miha maizina iny ity vehivavy lehibe ity no nikasa hamitaka mpitazona « cash point » iray, milaza fa hametraka vola 320.000 Ar tao anaty findainy izy kanjo tsikaritr’ilay mpitantana « cash point » fa vola sandoka ireto nentiny.
➡️Nampandre ny Polisy avy hatrany ilay lasibatra ka tonga ny mpitandro ny filaminana nirotsaka an-tsehatra. Rehefa nohamarinina dia vola sandoka 20.000 Ar miisa 16 no hita teny amin’ilay ramatoa. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy mba hanaovana fanadihadiana.

FANAPARIAHANA VOLA SANDOKA : RAMATOABE IRAY 71 TAONA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA