👉 Ady amin’ny herisetra sy fiarovana ireo olona marefo.
🚨 Nisy fitarainana voaray momba ny fanolanana zazavavy kely vao 4 taona tao amin’ny fokontany Ambodivoanio, Kaominina Nosy Be Hell-Ville, ny 10 Jona 2026. Manoloana izany dia nandray fepetra haingana ny Polisimpirenena niroso tamin’ny fanadihadiana, nisambotra ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Nentina natao famotorana tao amin’ny Kaomisarian’i Nosy Be Hell-Ville ilay voasambotra.
âś… Nandritra ny fanadihadiana natao taminy dia niaiky ny heloka hanenjehana azy izy. Rehefa vita ny famotorana dia natolotra ny Fampanoavana Ary naiditra am-ponja vonjimaika.
🛡️ Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa tsy handefitra amin’ireo karazana herisetra atao amin’ny ankizy, ary manentana ny mpiray Tanindrazana mba hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha mahita na mahafantatra tranga mety hanohintohina ny fiarovana sy ny zon’ny zaza tsy ampy taona.
NOSY BE HELL-VILLE : LEHILAHY IRAY NAMPIDIRINA AM-PONJA VONJIMAIKA NOHO NY FANOLANANA ZAZAVAVY KELY 4 TAONA.
