Manolona ny tranga famoizana ain’olona noho ny fanapoizinana ara-tsakafo niseho tamina trano filanonana iray teny Ambohimangakely dia nanao valandresaka ho an’ny panao gazety ny avy eo anivon’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariampirenena, izay mandray an-tanana miaraka ny fanadihadiana momba iny raharaha iny. Nitondra fanazavàna ihany koa ny avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifàna ary ny Minisiteran’ny Fizahan-tany.
➡️Nambara tamin’ity valan-dresaka ity fa efa mizotra ankehitriny ny fitsirihana manokana ataon’ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifàna amin’ireo ambin-tsakafo nampiasaina tamin’io fotoana io mba afahana manamarina ny tena zava-nisy. Fantatra ihany koa fa nakatona vonjimaika ilay trano filanonana.
➡️Niantso ny olom-pirenena mba ho mailo manoloana ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina ihany koa ireto tompon’andraikitra ireto amin’ny tranga tahaka izao. Hisy fampitam-baovao hatrany ho atao manoloana ny fivoaran’ity raharaha ity.

FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO TENY AMBOHIMALAZA : AO ANATIN’NY FANAOVANA FITSIRIHANA IREO AMBIN-TSAKAFO TAVELA NY AVY AO AMIN’NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA. HIARAHAN’NY POLISIMPIRENENA SY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA NY FANADIHADIANA MOMBA INY RAHARAHA INY

Vous pourrez aussi aimer