Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
➡️Vehivavy iray efa fantatra amin’ny fisolokiana famerim-bola anaty taxi-be no mbola namerina indray ny Sabotsy 21 Jona 2025 maraina tetsy Ampefiloha, tanaty zotra 138 ka niteraka resabe tao anaty fiara fitateram-bahoaka satria nisy tamin’ireo mpandeha no saika hikasi-tanana azy. Araka ny fantara dia efa fanaon’ity vehivavy ity ny mody mitaky famerim-bola amin’ny mpanampy ny mpamily na tsy misy izany akory aza satria vola madinika no nomeny natao saran-dalana.
➡️Nisy ireo mpanampy ny mpamily taxibe efa voany tamin’izany saingy betsaka ihany koa ireo nahalala azy taty aoriana. Vao nahita ny savorovoro ny Polisin’ny fifamoivoizana avy amin’ny Compagnie Urbaine de la Circulation (CUC) miasa tetsy Ampefiloha dia nirotsaka an-tsehatra nijery ny zava-misy.
➡️Vokany, niroso tamin’ny fisamborana azy avy hatrany ny Polisin’ny CUC mba hahafahana manokatra fanadihadiana momba ity vehivavy ity . Nentina teny amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna izy mba ho atao famotorana mialohan’ny fanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

VEHIVAVY IRAY MPISOLOKY VOASAMBOTRA TAO ANATY FIARA TAXI-BE ZOTRA 138 TENY AMPEFILOHA

Vous pourrez aussi aimer