Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
✅Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ireo vaomieran’ny fandriam-pahalemana tao amin’ny Fokontany Mandrangobato sy ny Polisimpirenena no nahatratrarana ity mpangalatra ny fananana iombonana ity ny maraim-ben’ny 29 Jona 2025.
➡️Isan’ny faritra tena lasibatra amin’ny fangalarana sy fanimbàna ny fananana iombonana iny fokontany iny ka taorian’ny fampiofanana nomen’ny Polisimpirenena ho an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony dia izao nahitam-bokany izao.
➡️Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ka nentina eny amin’ny biraon’ny Kaomisaria Mahamasina natao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana.

 

FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY VFP SY NY POLISIMPIRENENA : LEHILAHY IRAY TRATRA TEO AM-PANGALARANA JIRO AN-DALAMBE TENY ANOSIBE MANDRANGOBATO

Vous pourrez aussi aimer