Tontosa ny Alatsinainy faha-07 Jolay 2025, teto amin’ny Foibem-pibaikoana ny Polisimpirenena eto Anosy, ny fizarana Baiboly ho an’ireo Polisy avy amin’ireo sampandraharaha maro samihafa.
Nanolotra izany teny an-toerana ireo solontena avy amin’ny Vondrona Miaramila Kristianina sy ny Gideona Iraisam-pirenena, notarihin’ny Jeneraly RAKOTONINDRIANA David Rolland, avy ao amin’ny Vondrona Miaramila Kristianina, sy Andriamatoa DAKADISY Kenny, Filohan’ny Toby Z1 Analakely avy ao amin’ny Gideona Iraisam-pirenena.
✅Nitondra fisaorana sy fankasitrahana manokana ireo mpanome ny Baiboly ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius, Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, noho ny safidy nataon’izy ireo hanolorana izany ho an’ireo Polisy. Nambarany fa vatsim-panahy lehibe ho an’ireo mpitandro filaminana amin’ny fanatanterahana ny asa manoloana ny adidy sy andraikiny lehibe sahanina andavanandro izany.