Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
➡️ Notanterahina ny 14 aogositra 2025 tao amin’ny trano malalaky ny Distrikan’Anjozorobe ny fihaonan’ny Polisimpirenena tamin’ ireo sefo fokontany miisa 24 ao amin’ny kaominina Anjozorobe. Ny lehiben’ny FIP ao an-toerana no nitarika izany ary notronin’ny lefitry ny lehiben’ny Distrika.
➡️ Hetsika natao hampiharana ny politikan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka dia ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka ity fihaonana ity. Noentanina tamin’ny fampitam-baovao faran’izay haingana ireo sefo fokontany raha misy tranga ilàna ny Polisimpirenena. Nohenoina ihany koa ny soso-kevitra sy hetahetan’izy ireo mahakasika ny hahafahana mametraka ny fandriam-pahalemana maharitra.
ANJOZOROBE : FIFANAKALOZAN-KEVITRA NIARAHAN’NY POLISIMPIRENENA SY IREO LEHIBEM-POKONTANY HO FAMETRAHANA NY FANDRIAMP-PAHALEMANA MAHARITRA