Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
✅ Lehilahy iray nitazona sy nivarotra « crystal méthamphetamine” milanja 10,9 kg voasambotry ny Polisin’ny Stup, ny 12 Aogositra 2025. Loharanom-baovao azo avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra azy teny Ampasampito Ambohimirary.
✅ Nandritra ny fanadihadiana dia voamarina fa teratany vahiny no mpamatsy ireo zava-mahadomelina ireo, ary efa voasambotra talohan’izao nahatratrarana azy izao.
✅ Natolotra ny Fampanoavana ny 16 Aogositra 2025 teo ity lehilahy ity ary nampidirina am-ponja eny Tsiafahy.