-Samy tontosa soa aman-tsara ny lanonana fifamindram-pahefana tao amin’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga sy ny Kaomisaria Ambatondrazaka, izay notanterahina ny 20 sy 21 Aogositra 2025.
✅ Tontosa tao Mahajanga ny 21 Aogositra 2025 ny fifamindram-pahefàna teo amin’ireo Kaomisera roa tonta ho an’ny Kaomisaria Foibe Mahajanga, izay notarihin’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka ao Boeny, niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampan-draharahan’ny Polisimpirenena eto an-drenivohitry Boeny. Araka izany, nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ireo Polisimpirenena rehetra miasa ao Mahajanga ny Kaomisera vaovao, ny Commissaire de Police RAZAFIMANANTSOA Tsaramiafara izay nandray avy hatrany ny fitantanana ny Kaomisaria Foibe.
✅ Tao Ambatondrazaka indray dia nandray ny toerana maha lehiben’ny Kaomisaria ao an-toerana azy ihany koa ny Commissaire de Police RAVANOMANANA Lalasoa Maria Jeancinne, Lehiben’ny kaomisaria vaovao. Notarihin’ny Talem-paritra misahana ny Filaminambahoaka Alaotra Mangoro ny lanonana, ary nisy ny fandraisana azy ofisialy natao teo anatrehan’ireo Polisy rehetra eo ambany fiahiany. Nandray ny asa iandraiketany manomboka izao ihany koa ireo tompon’andraikitra miaraka aminy ao Ambatondrazaka.
✅ Ankoatra izay, nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajàna ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Solombavambahoaka ary ny Ben’ny Tanànan’Ambatondrazaka ny Kaomisera vaovao niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nodinihina nandritra izany fotoana izany ny ahafahana mametraka ny fiaraha-miasa mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra ao an-toerana.

FIFAMINDRAM-PAHEFANA NATAO TAO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE MAHAJANGA SY NY KAOMISARIA AMBATONDRAZAKA.

Vous pourrez aussi aimer