-Lehilahy telo no voasambotry ny Polisimpirenena noho ny fandraisana anjara tamin’ny vaky trano sy halatra tao Toamasina.
– Ny alin’ny 3 hifoha 4 Aogositra 2026, teo anelanelan’ny 01 ora sy 02 ora 45 minitra maraina dia trano telo teny Ankirihiry sy Ambohijafy no vaky.
– Rehefa nanao ny fikarohana ny Polisimpirenena dia voasambotra tamin’izany ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ireo vaky trano ireo.
-Mbola hita teny amin’izy ireo ny sasany tamin’ny entana nangalariny. Mbola misy jiolahy iray mpiray tsikombakomba amin’izy ireo karohina.
– Niaiky ny heloka vitany ireo voasambotra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Sampandraharaha misahana fikarohana Fandikàn-dalàna (SRPJ) Atsinanana ary hatolotra ny Fitsarana izy ireo rehefa vita ny famotorana savaranonando.

 

TOAMASINA : FIKAMBANAN-JIOLAHY MPAMAKY TRANO SARON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer