– Tranga mampalahelo no nitranga tao Ambatomitety, Fokontany Antanetibe, Distrikan’i Faratsiho, taorian’ny tsy nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vao iray volana, ny Zoma 31 Jolay 2026.
– Nandritra ny fikarohana nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ary ireo manam-pahefana dia hita ny Alahady 02 Aogositra 2026, 30 metatra miala ny tranon’izy ireo, izy mianaka.
– Efa tsy nisy aina intsony anefa ilay zaza, izay voalaza fa tao anatin’ny akanjon-dreniny.
– Niroso tamin’ny fanadihadiana ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena tao Faratsiho.
– Fantatra nandritra izany fa nandeha tany amin’ny mpisabo nentim-paharazana (mpimasy) izy ireo, ka voalaza fa nataony sorona ilay zaza.
– Araka ny vokatry ny fanadihadiana, dia niaiky tamin’ny famonoana ilay zaza ny reniny, niaraka tamin’ny mpisabo nentim-paharazana iray.
-Olona telo voakasika tamin’ity raharaha ity no natolotra ny Fampanoavana ny Alarobia 12 Aogositra 2026, ka nidoboka am-ponja vonjimaika izy telo, nahitana ny mpimasy, ny renin’ilay zaza ary ramatoa iray havan’ny renim-pianakaviana izay nampifandray tamin’ilay mpimasy.
