Ady amin’ny asan-jiolahy
-Naharay antso vonjy tamin’ny finday avy amin’ny mpitantana ny trano fandraisam-bahiny iray tetsy Ankazomanga ny Service Anti-Gang (SAG), ny marainan’ny Alarobia 10 Septambra 2025, nilaza fa nisy trangam-panafihana tao amin’ny toeram-piasàny.
-Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ireo ekipan’ny SAG raha vao nahare izany ka minitra vitsy dia tonga teny an-toerana.
-Jiolahy iray no voasambotry ny Polisy teo noho eo raha tafaporitsaka tany anaty elakelan-trano kosa ny namany, niaraka tamin’ny entana nangalarina, izay kitapo miisa roa samy misy vola.
-Nitohy ny fikarohana ka olona telo hafa no voasambotra, izay mpiray tsikombakomba tamin’ny fanafihana.
-Mbola tratra teny amin’ireto jiolahy ireto ny fitaovana toy ny finday, poketra, vola 144 Tapitrisa Ariary, ary vola vahiny 12.230 Dolara.
-Natolotra eo anivon’ny Brigade Criminelle ny raharaha hanohizana ny famotorana, ary notanana atao andri-maso kosa ireto jiolahy ireto.