Niainga androany 15 septambra 2025, tetsy amin’ny Lapa-panjakana Iavoloha, ka hiazo ny Faritra Vakinankaratra sy Menabe ny « Caravane Médicale Sarobidy ny Aiko » andiany faha-33.
Ity hetsika ity dia tantsoroka ho an’ny fahasalamana , fitsaboana maimaim-poana ho an’ireo olom-pirenena rehetra , ary tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’ny fijerena manokana ny maha-olona.
Tonga teny an-toerana nanokatra ny hetsika ny vadin’ny Filoham-pirenena Malagasy  sady Filoha mpanorina ny Association Fitia , Ramatoa Mialy RAJOELINA ; niaraka tamin’ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka, Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ; ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Ramatoa RAZAFINJATO Aurélie ; ny Solontenan’ny OMS eto Madagasikara , Profesora Laurent MUSANGO ary ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina.
Araka izany, dia fiara be maro izay efa misy fitaovam-pitsaboana hary fomba no hanatona ny vahoaka ka hanome fitsaboana ho azy ireo. Hisy ny fizaham-pahasalamana , ny fitiliana , ny fandidiana , ary koa ny fandraisana an-tanana ireo tranga tsy fahampian-tsakafo .
Ho an’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka manokana, dia ireo Polisy ao amin’ny BFP no mandray anjara mivantana amin’izao hetsika izao, hitondra fanentanana sy fampahafantarana, ary handray mivantana ireo olona iharan’ny karazana fandikan-dalàna miseho an-tokantrano , toy ny ady amin’ny herisetra , ny fanolanana , ary indrindra ny herisetra mianjady sy mihatra amin’ny zaza tsy ampy taona .

 

CARAVANE MEDICALE « SAROBIDY NY AIKO » ANDIANY FAHA-33 : NIAINGA TETSY AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA IREO FIARA BE HITONDRA FITSABOANA ENY IFOTONY, MANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY POLISIMPIRENENA AMIN’NY ALÀLAN’NY BRIGADE FÉMININE DE PROXIMITÉ (BFP).

Vous pourrez aussi aimer