Ady amin’ny asan-jiolahy
-Nandritra ny fisafoana ny alin’ny 15 Septambra 2025 nataon’ny CUI sy ny UIR teny amin’ny faritra Ankazomanga sy ny manodidina no nahazo angom-baovao ny Polisy fa misy andiana mpanendaka mihaodihaody eny an-toerana.
-Nanao velam-pandrika ahafahana misambotra ireto olon-dratsy ireto ny Polisy ka natao ny paikady ary fanamiana sivily no nanaovana mba hamandrihana ireo mpanendaka.
-Efa manana ny fomba fiadiny ihany koa ireto mpandroba ireto ka rehefa nahita ilay Polisy manao fanamiana sivily dia nohodidininy avy hatrany. Namoaka « bigboss » sy antsy ny iray handeha hamely ilay Polisy ka tsy maintsy niaro tena tamin’ny alalan’ny tifitra ity farany.
-Vokany, maty teo noho eo ity mpanendaka ity fa ny namany kosa tafaporitsaka.
-Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena ho famongorana ny asa ratsy tahaka izao.