– Ady amin’ny fanolanana sy herisetra ara-nofo
– Voasambotry ny Polisin’ny Compagnie Régionale FIP Analamanga tao an-tranony ny 9 Oktobra 2025, tao Ambodimanga Anjozorobe, ny lehilahy iray 50 taona, noho ny fanolanana zaza vao 13 taona monja.
– Fitahin’ity lehilahy ity sy tambatambazany ho any amin’ny toerana mangina ilay zazavavy hahafahany manao ny filan-dratsiny. Fantatra tamin’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo fa simba tokoa ilay zaza.
– Eo am-pelatanan’ny Sampandraharahan’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny ankizy ary ny olona marefo, ao amin’ny Kaomisaria Foibe Sabotsy Namehana, ny fanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

ANJOZOROBE : LEHILAHY IRAY 50 TAONA NOSAMBORIN’NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FANOLANANA ZAZA 13 TAONA

Vous pourrez aussi aimer