Ady amin’ny asan-jiolahy
– Nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny 18 Novambra 2025 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tao Toliara. Vehivavy iray mpanao cash-point nody avy niasa no notafihin’ny Jiolahy roalahy mitondra basy teny andalana ka naka ny vola sy fitaovana teny aminy.
– Ny fokonolona manodidina nahare ny tranga no nampandre haingana ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR). Vokatr’izany dia tonga haingana tany an-toerana ny UIR ary voasambotra tao Bazaribe ny iray tamin’ireo jiolahy ary notazonina natao famotorana avy hatrany.
– Mbola tratra teny aminy avokoa ny sasany tamin’ny entana sy ny vola very ary efa niverina amin’ny tompony. Nahatratrarana basy poleta sy bala ihany koa teny aminy nandritra ny fisamborana.

 

LEHILAHY IRAY NANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA «CASH POINT» VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO TOLIARY.

Vous pourrez aussi aimer