-Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy fanabeazana amin’ny fanarahan-dalàna
– Manao hetsika manokana mahakasika ny fanarahan-dalàna sy ny fahamailoana ary fitandremana eny an-dalana ireo Polisimpirenena eto Antananarivo renivohitra nanomboka ny marainan’ny 26 Novambra 2025.
Natomboka tetsy Anosy ny hetsika fanentanana mahakasika ny aro loza amin’ny lozam-pifamoivoizana, niarahan’ny Brigade des Accidents de la Circulation (BAC), Brigade Féminine de Proximité (BFP), ary ny Polisin’ny Fifamoivoizana (CUC).
– Ny tanjona dia ny hisorohana araka izay tratra ny lozam-pifamoivoizana ary hampahatsiahy ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fitandremana eny an-dalana.
– Nentanina manokana ireo mpitondra moto mba tsy hanao taingimbe sy hametraka aro-loha hatrany, ary ireo mpamily fiara kosa mba tsy hitondra fiara raha nandray alikaola. Nampahatsiahivina ihany koa ireo mpampiasa lalana rehetra mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, voakasik’izany ihany koa ireo mpandeha an-tongotra sy ny mpitondra bisikilety ary ny mpitarika posy sy sarety.

MANENTANA NY MPAMPIASA LALANA REHETRA MBA HITANDRINA SY HO MAILO, ARY HAHATSAPA NY ANDRAIKITRA TANDRIFY AZY NY POLISIMPIRENENA MBA HISOROHANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Vous pourrez aussi aimer