– Polisimpirenena manakaiky Vahoaka
– Nisitraka fampiofanana momba ny paikady entina hametrahana fandriam-pahalemana maharitra eny ifotony, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana sy fihavaozana izao, ireo vaomieran’ny Fandriam-pahalemana miisa 170 avy amin’ireo fokontany 17 ao anatin’ny farim-piadidian’ny Kaomisaria Boriboritany faha-08 Analamahitsy.
– Tetsy amin’ny biraon’ny Kaomisaria Analamahitsy no notanterahana izany ny Alakamisy 27 Novambra 2025.
– Nitarika ny fampiofanana Ramatoa Talen’ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierette Marie Françoise, niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaha sy ireo Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriboritany faha-08.
– Notsindriana manokana ny didim-panjakana laharana 2009-890 tamin’ny 02 Jolay 2009, mamaritra ny asa sy andraikitry ny Vaomieran’ny Fandriampahalemana eny anivon’ny fokontany.
– Nampafantarina azy ireo ihany koa ny fandraisana andraikitra tokony hatao manoloana ireo karazana fitarainana sy tranganà tsy fandriampahalemana miseho eny anivon’ny fokontany.
– Hitohy amin’ireo boriboritany rehetra eto Antananarivo Renivohitra ity fampiofanana ity.

