– Taorian’ny fitsidihana arak’asa nataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor tany amin’ny faritra Diana sy Sava ; ny fitetezana ireo sampan-draharaha sy fitaleavana teto Antananarivo dia nitohy tany amin’ny faritra Fitovinany izany ny 10 sy 11 Desambra 2025.
– Niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena nandritra izany fitsidihana arak’asa izany ireo talem-paritry ny Filaminambahoaka (DRSP), ny Commissaire Divisionnaire de Police TOMBO Jacky, DRSP Vitovinany, Commissaire Divisionnaire de Police RANDRIAMAHASOA Pascal, DRSP Matsiatra Ambony ary ny Commissaire Principal de Police TAFENO Rolly Ezah Vivonys, DRSP Ihorombe.
– Nandritra ny fandalovana tao Vohipeno sy Manakara no nandinihina miaraka amin’ireo Polisimpirenena izay olana mety sedraina eo am-panatanterahana ny asa fa indrindra ny paikady entina manatsara ny kalitaon’ny asa omena ny mpiray tanindrazana.
– Nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena ny lanjan’ny fahadiovana amin’ny endriny rehetra, ny fitandroana ny hasin’ny asa ary indrindra ny fampiharana ny Polisy akaiky vahoaka, miasa am-pahamendrehana sy amim-pahitsiana.
– Nisy ny fifanakalozan-kevitra maro, niompanana amin’ny fananganana Polisy matihanina, mandray andraikitra ary manaja ny fitsipiky ny asa sy ny etika.

FARITRA FITOVINANY : NITSIDIKA SY NIHAONA TAMIN’IREO POLISY NY TALE JENERALIN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer