Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
🔴Lehilahy iray no tratran’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Alasora teo am-pangalarana vy teo antokotanin’olona ny alin’ny 09 Febroary 2026 teny Ankadiavo Alasora.
Lehilahy iray hafa indray koa no voasambotra ny 11 Febroary 2026 tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teny Ambohimandraisoa Alasora, taorian’ny fifanenjehana tany an-tanimbary. Mbola isan’ireo mpangalatra vy sy vavahady vy eny Alasora ihany koa ity jiolahy iray voasambotry ny Polisimpirenena ity.
🏛️Noentina eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena ary ho hatolotra ny Fampanoavana aorian’ny fanadihadiana.
ALASORA : LEHILAHY ROA TRATRA NOHON’NY HALATRA VY
