– Lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny komisaria CSP8 Analamahitsy, ny harivan’ny 05 Martsa 2026, noho ny fisandohana ho Polisy sy ny fakana vola amin’ny alalan’ny fandrahonana.
– Manara-dia miafina an’ireo olona mandeha efitrano fandraisam-bahiny izy na toerana manokana, maka sary ary mandrahona ny hanaparitaka izany raha tsy omena vola, misandoka ho Polisimpirenena ihany koa fanampin’izay.
– Efa maromaro ireo olona nametraka fitoriana eny amin’ny komisaria CSP8 Analamahitsy sy eny amin’ny SUT Tsaralalana tamin’ity lehilahy ity.
– Natao andri-maso sy nanokafana fanadihadiana izy ary ho atolotra ny Fampanoavana.
LEHILAHY IRAY MISANDOKA HO POLISY SY MAKA VOLA TSY AMIN-DRARINY VOASAMBOTRA.
