🚔 Ady amin’ny fahaverezan’olombelona.
👉 Teny Ivandry La City, zaza lahy 10 taona very ka tsy nahatadidy ny toerana misy ny tranony no hitan’ireo Polisy nanao fisafoana ny 12 Septambra 2026 tamin’ny 12 ora sy sasany alina.
📌 Araka ny fanazavany, dia nisy lehilahy nandrahona azy teny amin’ny manodidina ny EPP Alarobia ka nanery azy hanaraka azy saingy tsy nanaiky izany izy ary nirenireny teny Ivandry taorian’izay.
🚨 Noraisin’ireo Polisy an-tanana avy hatrany ilay zaza, nomena sakafo sy toerana mafana natoriany. Natao ny fikarohana teny amin’ny manodidina an’i Alarobia ka nahitana ny fianakaviany. Tafaverina soa aman-tsara tany amin’ny ray aman-dreniny izy ny marainan’ny 12 Septambra,
đźš” Mitohy kosa ny fanadihadiana momba ity raharaha ity hahafahana misoroka ny tranga tahaka izany.
👮‍♀️ Tetsy Analamahitsy Tanàna kosa, tovovavy roa izay nilaza fa very no hitan’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany Faha-8 Analamahitsy sy ireo Andrimasom-pokonolona nandritra ny fisafoana, ny alin’ny 11 Septambra 2026.
🗣️ Nambaran’izy ireo fa nisotrosotro niaraka tamin’ny namany izy ireo, saingy lasa ireo namany ka izy roa no tavela, raha mbola tokony hody any Namontana.
🚨 Noho ny ora efa alina, dia noraisin’ireo Polisy ny andraikitra tamin’ny fanaterana azy roa tany an-tranony.
🛡️ Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka, indrindra ireo ankizy sy ireo olona marefo. Manentana hatrany ny rehetra mba hampandre ny manam-pahefĂ na rehefa misy tranga mampiahiahy, anatin’izany indrindra ny mahakasika ny fahaverezana olona.

FIAROVANA IREO OLONA MAREFO : ZAZALAHY VERY TENY IVANDRY SY TOVOVAVY ROA TENY ANALAMAHITSY, NORAISIN’NY POLISIMPIRENENA AN-TANANA ARY EFA TAFAVERINA AMIN’ NY FIANAKAVINY.

Vous pourrez aussi aimer