🚨Tranga roa izay mampiseho tokoa fa tsy natao hisehatra amin’ny fandriam-pahalemana fotsiny ihany ny Polisimpirenena fa tena miaro amin’ny lafiny rehetra ary manampy ny vahoaka tokoa.
✅Izany no hamporisihana ny olom-pirenena rehetra tsy hihafahafa hiantso na hanantona ny Polisy hatrany raha misy tranga eny amin’ny fiarahamonina eny ahafahana mandray andraikitra avy hatrany fa hanampy anao ny Polisimpirenena.
🙍♀️Ny 09 Martsa 2026, nisy zokiolona vehivavy iray tsy salama saina, nisy nanatitra teo anoloan’ny Kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo Antaninandro.
🤝Noraisin’ny Polisy an-tanana izy mandra-pikarohana ny fianakaviany. Nomena sakafo sy toerana natoriana, ary naraha-maso akaiky, niantsoana mpitsabo ihany koa nijery ny toe-pahasalamàny.
🚔Ny 10 Martsa 2026, fantatra fa eny Andohalo ny havany ka naterin’ny Polisy soa aman-tsara tany amin’ny fonenany ilay zokiolona.
👩🦰Ny 11 Martsa 2026 maraina kosa dia nisy vehivavy iray teny Ambatomaro saika niharan’ny fitsaram-bahoaka rehefa noahiahian’ny mponina ho mpamosavy. Rehefa natao ny fanamarinana dia fantatra fa very lalana izy.
🎯Nentina tao amin’ny Kaomisaria izy ho fiarovana ny ainy ary efa nampahafantarina ny fianakaviany ny zava-misy. Nomen’ny Polisy sakafo sy nojerena ny toe-pahasalamany ary tonga naka azy ny havany Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
VEHIVAVY ROA NORAISIN’NY POLISIMPIRENENA AN-TANANANA : NY IRAY VOAENDRIKENDRIKA HO MPAMOSAVY TENY AMBATOMARO, NY IRAY VERIVERY SAINA KA NATERINA TAMIN’NY HAVANY TENY ANDOHALO
