– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
- Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny UIR Antsirabe, ny Talata 17 Martsa 2026 tokony ho tamin’ny 10 ora alina.
- Teo ampanaovana fisafoana ireo Polisy no nifanena tamin’izy ireo izay nirifatra nandositra avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana ka tsy lasa lavitra izy ireo dia voasambotra. Rehefa nosavaina dia nahitàna basy vita gasy izay tsy misy taratasy manamarina ny fahafahana mitazona izany izy ireo.
– Noentina avy hatrany any amin’ny Komisaria Foibe any Antsirabe ireto roalahy ireto hatao andri-maso sy hanokafana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ny Fitsarana.
Ampatsiahivina hatrany fa mila fahazoan-dalana avy amin’ny manam-pahefàna mahefa ny fitazonana fitaovam-piadiana toy ny basy, izay amin’ny sokajy azon’ny olon-tsotra tazonina.
