-Ady amin’ny hosoka sy ny asa ratsy isan-karazany.
– Mihena iray indray aloha ny mpamita-bahoaka amin’ny fanaovana hosoka isan-karazany ao amin’ny faritra Atsinanana noho ity vokatra azon’ny Polisimpirenena ity.
-Lehilahy iray mpanao hosoka, izay efa notadiavina hatry ny ela, no saron’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny komisaria CSP Mahanoro ny 19 Martsa 2026 tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, marihina fa efa nisy fitoriana maromaro voaray tao amin’ny kaomisaria mahakasika ity lehilahy ity.
-Natao ny fisavana sy ny fikarohana tao amin’ny efitra nisy azy tao amin’ny hotely iray tany an-toerana ka nahitana kara-panondro (CIN) telo sandoka izay ahitàna sary mitovy fa ny anarana no samihafa, vola 20 000 Ariary miisa 31, karatra banky iray, finday Android roa, «puce» SIM miisa 11, ary fonosana misy vato sarobidy izay sandoka ny sasany.
– Hita tao ihany koa fanafody isan-karazany toy ny Rivotril sy sirop “Raokandro Malagasy”, ary taratasy iray misy tombo-kase milaza ny maha-mpampianatra azy any Nosy Varika.
– Efa eo am-pelatanan’ny Polisimpirenena ny raharaha ary mitohy ny fanadihadiana. Manentana hatrany ny rehetra ny Polisy mba hiara-hiasa amin’ny fanomezam-baovao hahafahana miady amin’ny heloka bevava, ka ho voatazona ho tsiambaratelo hatrany ny mombamomba ireo mpanome vaovao.

 

MAHANORO : LEHILAHY IRAY KAROHINA NOHO NY FANAOVANA HOSOKA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer