Publié le 24 mars 2026 par rasamy -Tontosa ny 23 martsa 2026 tolakandro, tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy ny lanonam-pitsaràna nanaovana fianianana ho an’ireo Polisimpirenena tafiditra ho anisan’ireo mpikaroka fandikan-dalàna (OPJ). -Taorian’ny fianianana izay natao androany dia afaka mitarika sy manatanteraka fanadihadiana mifandraika amin’ny heloka bevava sy fandikan-dalàna isan-karazany izy ireo. – Commissaires de Police miisa 30 avy amin’ny andiany MENDRIKA, Officiers de Police miisa 48 a avy amin’ny andiany MENDRIKA, Inspecteurs de Police vao nisondrotra galona miisa 92 ary Inspecteurs de Police avy amin’ny andiany MANEVA miisa 148 ireto nahavita ny fianianana maha mpikaroka fandikan-dalàna ireto. -Hanatevina sy hanamafy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy hanakaiky kokoa ny vahoaka amin’ny fanatanterahana ny asany ireto Polisimpirenena vao nahavita fianianana ireto. Hiparita manerana an’i Madagasikara izy ireo. NAHAVITA NY FIANIANANA AMIN’NY MAHA MPIKAROKA FANDIKAN-DALANA AZY IREO POLISIMPIRENENA AVY AMIN’NY ANDIANY MENDRIKA, NY ANDIANY MANEVA ARY IREO ANDIANY NAHAZO GALONA HO INSPECTEUR DE POLICE